Vehivavy iray 26 taona mpivarotra hani-masaka no hita faty teo ambony fandriana natoriany, tao amin’ny fokontany K7, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Taorian’ny fampandrenesana voarain’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, tonga nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Ivato. Nandritra ny fizahana […]
Tranga
Jiolahy nokarohina : maty voatifitry ny polisy tetsy Analakely i Nirina kely
Nirefotra indray ny poabasy tetsy Analakely, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy i Nirina Kely, jiolahy norakarohina hatry ny ela Voatifitry ny polisy tao amin’ny pavillon Analakely, omaly hariva, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Nirina Kely. Nikasa hanao ny asa ratsiny teo akaikin’ny […]
Halatra vola tao amin’ny banky: olona telo naiditra violon ao Ambovombe
Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana an’ilay lehilahy mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe nangalatra vola 335 tapitrisa Ar tao anaty vatamafihidy, ny alatsinainy teo. Mivoatra tsikelikely ny famotorana, tao anatin’izany no nahatrarana olona telo (ny rainy, ny dadatoany, ny anabaviny) akaiky azy. Nifandray matetika tamin’ilay lehilahy mpiasan’ny banky izy […]
Tao anaty kizo: taolam-paty telo gony hitan’ny miaramila
Saika hatao inona? Taolam-paty marobe tanaty gony no hitan’ny lehiben’ireo miaramila mpiandry kizo ao Analamarina, kaominina Tsaratanàna, distrikan’Ifanadiana, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’ity taolam-paty ity ireo miaramila ka voamarina tokoa ny fisian’izany tao amin’ny kirihitr’ala manamorona ny lalana mihazo an’Ambohimanga Atsimo, ao Sandrasaty. Tonga teny an-toerana koa […]
Toliara: Jiolahy iray maty voatifitry ny polisin’ny UIR
Maty voatifitry ny polisy tao anaty ala honko, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Teo am-pikasana ny hanafika izy sy ireo namany no nifanehitra tamin’ny polisy… Maty rotiky ny balan’ny polisin’ny UIR tao anaty ala honko ao Ambohitsabo Toliara, omaly atoandro ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Alain. Teo am-piomankomanana […]