Trano iray nirehitra tetsy amin’ny tohatohabaton’ Ambondrona, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Trano tsy misy rihana mitafo fanitso ary afovoan-tanàna io nirehitra io. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, telo minitra taorian’ny antso. Maty tanteraka ny afo 20mn taty aoriana. Manentana ny […]
Tselatra
TSELATRA
Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. […]
TSELATRA
Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy nidaroka ny rahavaviny tamin’ny alalan’ny tavoahangin-dabiera teny Ampasapito, afakomaly. Niara-nisotrosotro izy mirahavavy ka nifamaly tampoka. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Novelesin’io vehivavy io avy hatrany ilay zandriny ka voa mafy. Nentina teny anivon’ny mpitsabo ity farany. Atao famotorana kosa ilay nahavanon-doza. Lehilahy malagasy iray maty noleran’ny namany […]
TSELATRA
Mahakasika ny raharaha vaky trano tetsy Ambodiafontsy ny 28 febroary lasa teo, nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ireo lehilahy enina voarohirohy taorian’ny fampanoavana azy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ny zoma alina lasa teo. Raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, ny 21 febroary lasa teo. Olona 18 nahiditra am-ponja vonjimaika, […]
TSELATRA
Fasana 15 nisy namaky tany Maintirano. Nampandre ny polisy ny sefo fokontany tao Ampasimanondro, distrikan’i Maintirano, omaly maraina tamin’ny 6 ora, fa nahitana vaky fasana tao an-toerana. Nijery ifotony avy hatrany ny polisy ka nanamarina ny tranga. Fantatra fa 15 ny fasana nisy namaky. Nikaroka zava-tsarobidy nampiarahana tamin’ny razana ireo […]