Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’izao Herinandro Ma­si­na izao ny eo anivon’ny FFKM. “Miantso antsika mba handini-tena sy hanamafy ny fifandraisana amin’ Andria­manitra”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fiangonana fa tsy tokony hiraviravy tanana na eo aza ny hasarotry ny fiainana sy ny tsy fandriampahalemana. Miahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Ceni, Ratsietison Jean Jacques, eo […]

Tselatra

Mpivady niharan’ny fanendahan’ny jiolahy teny Anosizato Andrefana, afakomaly hariva. Avy niala taxi-be izy ireo no nifanehatra tamin’ny mpanendaka. Voatsatoka antsy teo amin’ny tanany ilay raim-pianakaviana raha naratra voadaroka teo amin’ny lohany kosa ny vadiny. Lasan’ireo jiolahy ny finday sy ny vola. Tratran’ny fokonolona i Lesabotsy sy Sambadahy, jiolahy roa mpamerin-keloka, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina rahampitso sy ny alakamisy 28 marsa, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Sokajy minimes, cadets, juniors ary seniors no hifaninana mandritra izany. Taranja lomano. Hotanterahina eny amin’ny dobo filomanosana Ampefiloha, manomboka ny alakamisy 28 marsa izao, ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara. Efa […]

INDRAY MIJERY

Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Ivato, izay fanitarana sy fanatsarana. Anisan’izany ny efitranon-tsekoly iray, trano famakiam-boky ary fandokoana ireo efitra manontolo. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana ny asa. Hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ireo kilonga no anton’ny fanavaozana. Herinandro Masina amin’ity herinandro ity. Maro ireo tokantrano mamonjy fanompoam-pivavahana amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Misanda 4 702 Ar ny 1 euro, ary 4 373 Ar ny 1 dolara, omaly. Nahazo aina kely ny sandan’ny Ariary, raha oharina ny teo aloha, satria efa nahatratra 4 900 Ar ny 1 euro sy mihoatra ny 4 500 Ar ny dolara, tamin’ny iray volana lasa (26 febroary 2024). […]