Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Nandray ireo mpianatra ho injeniera ao amin’ny sampana Taotrano sy Asa vaventy eny amin’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, omaly. Anisan’ny nangatahan’ireto mpianatra taona fahaefatra ireto tamin’ny minisitra ny ho mpiahy ny andiany faha-51. Miisa 90.000 ny fototra kafe antitra notapahana mba […]

TSELATRA

Tratran’ny polisy tao Toamasina, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra moto. Polisy iray nisahana ny fifamoivoizana no nahita lehilahy iray nampiakatra moto tamina cyclo-pousse, ka niroso tamin’ny famotorana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa moto halatra io nen­tin’izy ireo io. Jiolahy mpamerin-keloka amina halatra moto ireto tratran’ny polisy ireto. Ramatoabe […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 17 marsa ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’i Sofia, taranja baolina kitra, diviziona faharoa. Ireto avy ireo toerana efatra andraisana izany, ny kianjan’Analalava, Antsohihy, Port-Berge ary i Mampikony. Notontosaina ny 9 sy 10 marsa lasa teo ny lalao savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i […]

VAOVAO TAMBATRA

Tontosa tao Antsirabe, ny 5-7 marsa teo, ny atrikasa fiofanana mahakasika ny rojom-pihariana mangahazo ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny masomboly haharaka ny filàn’ny mpamokatra. Eo koa ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana hanana sehatra lehibe eo amin’ny fanjarian-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny Cites ao amin’ ny […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fihaonana ho fametrahana modely momba ny tandindon-doza mifototra amin’ireo singa fandrefesan’ny INFORM ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny GIZ. Ho fanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ity paikady ity, izay novolavolaina niaraka tamin’ireo firenena mpikambana. Tsy mbola midina ny vidin’ny anana sy ny legioma […]