Tselatra

Sombim-baovao

Hotontosaina ny 05-06-07 avrily ho avy izao, ao amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Tsiahivina fa hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny amboara amin’ny sokajy, «Séniors», lehilahy. Ankoatra izay, ny 31 marsa ho avy izao no fara-fandraisana ny fanavaozana ny […]

TARATRY ny KANTO

Famoaham-boky Ikalomanga, asa soratry Ratsifandrihamanana Clarisse Andriampandry. Havoaka amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny 26 marsa, amin’ny 10 ora maraina izany. Efa voasorany tamin’izany fa tsy mbola navoaka izy io ka navoakan’ny taranaka. Afaka jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky izany amin’ny herinandro. Naseho an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny CEG […]

FANTINA sy FINTINA

Nampahafantarina omaly, tany Toamasina, ny kandidàn’ny Firaisankina, hiatrika ny fifidianana depiote ho an’iny faritany iny. Nitarika izany ireo lehiben’antoko, toy ny HVM, Tim, Tsara Tahafina. Anisan’ny mbola kandidà, Razara Pierre Fidel, Rabekijana, i Tody Arnaud… Hita taratra ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana vovonana, araka ny nambaran’ny filoha […]

TSELATRA

Folo mianadahy mpamboly rongony sady mpivarotra tratran’ny zandary tao Maroamalona, fokontany Mahatsara Ambony, kaominina Anaborano-Ifasy, afakomaly. Rongony tamin’ny gony nilanja 1 000 kg niampy 1 200 fototra no sarona tao amin’izy ireo. Tovovavy tsy ampy taona am-polony voasambotry ny polisim-pirenena tao Taolagnaro, afakomaly alina. Noraisim-potsiny tao amin’ny trano fandihizana miisa telo sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny mpampiasa vola vahiny amin’ny fizahantany vonona ny handraharaha eto Madagasikara. Toerana 15 no efa hita azo hananganana fotodrafitrasa an’ny fanjakana na koa tsy miankina. Vondrona fandraisam-bahiny lehibe 7 ihany koa no efa nilaza fa liana ho eto amintsika. Anisan’ny paikady hampiroboroboana ny fizahantany avokoa ireo. Hapetraka ny […]