Tselatra

INDRAY MIJERY

Vata fampangatsiahana 3 sy kojakoja miaraka aminy no natolotra tao amin’ny Malagasy Medical Analysis Laboratory na ny laboratoara (LA2M) eny Androhibe. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fond Mondial no nahafahana nanolotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitehirizana ireo vaksiny ny fitaovana azo. Nantitranterin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa manana andraikitra sarobidy ny sampandraharahan’ny fitehirizan-dra etsy […]

TARATRY ny KANTO

Nahemotra amin’ny 27 janoary 2024 ny hetsika “Misy mihaino?”. Antony, mikatona manomboka ny 22 desambra ka hatramin’ny 4 janoary 2024 ny Cercle Germano-Malagasy. « Misy mihaino ? », famelomana ampahana tantara fandefa amin’ny Radio, holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, natao ahatsiarovana ireo zoky nampianatra sy nanofana ny Faribolana Sandratra. Nodimandry i Fleur. […]

FANTINA sy FINTINA

Hametra-pialana anio, eo anivon’ny filanke­vitry ny minisitra, ny governemanta Ntsay Christian. Hanohy ny fampandehanan-draharaha ireo minisitra manomboka izao raha any amin’ny fiandohan’ny taona any kosa vao mety hanova ny governemanta ny filoha. Tapitra ny 72 ora nomen’ireo raiamandreny ara-drazana ka mbola nanampy 48 ora indray izy ireo. Takin’izy ireo ny […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny mpandeha bisikileta nifandona tamina taksiborosy iray, afakomaly, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampofo, Pk 243, RN 7. Hihazo an’Antananarivo io taksiborosy io no nifandona tamin’ity mpandeha bisikileta ity. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anaty fiara koa no naratra mafy ka voatery nentina hopitaly haingana. Mbola manaraka fitsaboana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo record national, teo amin’ny 50m, Nage libre, nandritra ny ” Salnikov Cup 2023″, taranja lomano, natao tany Russie, Rabejaona Holy Antsa. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 26″ 94 ny 50m raha toa ka 27″ 35 no nahavitany izany, nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo. Raveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra. […]