Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 29 marsa ho avy izao ny fihodinana faharoa savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”. Lalao 16 no hatao amin’io andro io. Anisan’ireo faritra handray lalao amin’izany ny any Ambanja, Ambilobe, Ambositra, Antalaha, Antananarivo, Fenerive-Est, Ihosy, Imerintsiatosika, Manakara ary Mahajanga. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 24 – […]

SOMBIM-BAOVAO

Mikarakara fifaninanana basikety, natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Lycée “All step”, ny ligin’Analamanga. Mbola tsy fantatra ny daty hanao­vana izany saingy efa misokatra ny fandraisana ireo Lycée vonona hifaninana. Hatao ny 26 marsa ho avy izao ny fivoriambe arahina fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja karaté. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena […]

INDRAY MIJERY

Hanao ba kiraro tsy mitovy maroloko ny daholobe, anio, ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Afaka miara-miaina anaty fahasamihafana no hafatra tiana ho voizina amin’ny hetsika iraisan’ny firenena maneran-tany ka hanentanana ny Malagasy handray anjara. Hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy, hiitatra amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

«Tabataba an-tononkalo an-tokotany». hetsika miavaka hataon’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny poeta Havatsa Upem. Hatao anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely. Entin’izy ireo hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hisy fiantsana tononkalo, fanoratana poezia eo no ho eo, sy fivarotana ny bokin’ ireo mpanoratra. Manomboka miditra […]

VAOVAO TAMBATRA

4150,8 miliara dolara ny vola azo tamin’ny fitran­drahana nikela ny taona 2023, raha 4606,5 miliara dolara izany ny taona 2022. Manodidina ny 39 900 taonina eo koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa, raha 38 600 ny taona 2022. Nitombo ny vokatra naondrantsika saingy mitotongana ny vidiny eo amin’ny sehatra […]