Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny ampahefatry ny asa ankapobeny amin’ny fanamboarana ny lalana RN 13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe. Mahatratra 51 km ny ampahan-dalana nasiana fanitarana amin’ny velarany, 28 km efa naravona. Mandeha tsikelikely koa ny fandrakofana godirao, miampy ny fametrahana lakandrano sy fanarian-drano. Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny entana fampiasa andavanandro […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo farmasianina tamin’ity herinandro ity. Nodinihina tamin’izany ireo karazan-dalàna mifehy ny fanokafana sy fanakatonana ary famindrana toeram-pivarotam-panafody. Hatsan­gana koa ny komity manokana hanara-maso sy hanapaka izany. Nahazo vata fampangatsiahana 23 fanampiny ireo toerana fitehirizan-dra eny amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika. Kitapon-dra sy singa ilaina amin’ny famindrana […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny hiragasy etsy Ampefiloha. Hiakatra kianja indray, rahampitso alahady 17 desambra, ry Sahondrafinina Zanany, hifanandrina amin-dry Samuelson Andohavary. Ady hiragasy toy ny efa mahazatra ao amin’ny kianja, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka manariva andro. Hiady ny lalao raha ny lazan’ireto tropy roa izay hifandona ireto. Tsy misy vidim-pidirana […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho fialan-tsiny noho ny fahatapahan’ny jiro tao an-dapa ny filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny lahateny famaranana ny fotoam-pivoriana, omaly. Niato 10mn teo ny fihaonana. “Tranga miseho matetika iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy. Nohadihadian’ny zandary teny Fiadanana ary efa nalefa nody, afakomaly ihany, ny sektetera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré. Voalaza ho anton’ny […]

TSELATRA

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ambohi­man­gakely, omaly ireo vehivavy malaza ratsy amin’ny fisolokiana tany. Nandritra ny roa taona izy ireo no nanao ity asa ratsy ity. Anisan’ ireo voasoloky koa ny rafozan’ny vehivavy iray amin’ireto mpisoloky ireto. Rehefa mahita olona mitady tany na trano amidy ireo mpisoloky dia entiny […]