Nahatratra telo ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany Ampanihy Andrefana, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, afakomaly. Olona iray tsy hita popoka tany Belo sur Tsiribihina. 42 ireo olona naratra, 38 949 traboina, ahitana izany betsaka indrindra ny any Toliara II, izay manodidina ny 11 308. […]
Tselatra
TSELATRA
Zazalahikely mpianatra iray natelin’ny ranomasina tany Sambava, omaly. Nandeha nanao EPS tao amin’ny stade izy sy ireo mpiara-mianatra aminy, raha ny angom-baovao voaray. Nafana ny andro tamin’io ary nandeha nandro tany an-dranomasina izy. Tsy hita izy avy eo fa nalentiky ny ranomasina, tsy hita. Tonga nanao fikarohana azy io ny […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 18 voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza varira tany Foroforo, Vohipeno, ny 8 febroary 2025 lasa teo, araka ny tatitra voaray avy amin’ny groupement Fitovinany. Nalefa eny Tsiafahy ireo lehilahy 14 tamin’izy ireo. Raha toa ka eny Antanimora kosa ireo vehivavy efatra hafa. Marihina fa […]
TSELATRA
Tafakatra enina ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangatamboahangy, ny zoma 21 febroary teo. Efa tazomina sy hanaovana fanadihadiana ary hatao andrimaso eny anivon’ny zandarimariam-pirenena any Ambatofinandrahana izy ireo. Efa nogiazana ihany koa ny basim-borona iray nampiaisan’ireo olon-dratsy. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana avokoa ireo rehetra voarohirohy […]
TSELATRA
Vehivavy 27 taona, hita faty tao an-trano fonenany, omaly, tany Toamasina. Monina ao Anjoma Atsinanana, Toamasina izy. Zanaka mpitsabo ary miasa amin’ ny hotely lehibe iray any an-toerana. Fofona maimbo no nanaitra ny mpiara-monina. Nahitana ra niparitaka tao an-tranony, rehefa novakiana ny varavarana. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. […]