Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanaiky ny voka-pifidianana hivoaka eo ny rehetra, ny mpanao politika, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Fanjakana demokratika isika. Koa miantso antsika hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana. Tsy hankato ny voka-pifidianana noho ny fandikan-dalàna ireo kandidà 10. Nihaona tamin’ny Pan-FFKM, nikato-trano teny Tsimbazaza izy ireo, omaly. “Tsy […]

TSELATRA

Tovolahy iray nikasa hamono tena teny amin’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Nitsoraka tao anaty rano izy, saingy voavonjin’ireo mpaka fasika sy mpanasa lamba ka tsy tanteraka indray ny fikasany. Olana teo aminy sy ny vadiny no voalaza fa nahatonga izao fikasan-dratsiny izao. Nahatrarana fonosana rongony mitotaly 390 tao amin’ny tokantranon’ny ramatoa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hodinihina mandritra ny fivoriana amin’ny herinandro, iarahana amin’ireo tomponandrikitry ny Banky iraisam-pirenena, ny momba ny Madagascar Airlines. Marihina fa hamatsy vola ny kaompania ity vondrona iraisam-pirenena ity. Hanome vola azy ny fanjakana malagasy raha haverin’ny banky amin’ny alalan’ny famatsiam-bola izany avy eo. Tonga androany ao Mahajanga ilay sambo lehibe mpitondra […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny latsakemboka izay anjara tokony haloan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana feno azy ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS. Aretina lagaly no mahazo ny ankizy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, raha ny fanazavan’ny avy […]

TARATRY ny KANTO

“Blague Friday Folk” etsy Ambondrona. Handray an-dry zalahy tanora mpanao hatsikana ny toerana, hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Raitra Belawyck, Aina Maharavo, Orima Sarobidy, Rataaken sy ireo mpanao hatsikana hafa mbola hanatevina an-dry zareo. Jeneraly, etsy amin’ny Piment Café. Hiverina kely […]