Tselatra

TARATRY ny KANTO

« POLA 2024 ». Anisan’ireo asa soratra hifaninana ao anatin’ny « Prix Orange du livre Africain 2024, (POLA) » ny « Za koa » an’i Hary Rabary, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fondation Orange. Raha tsiahivina, Malagasy mpanoratra, Michèle Rakotoson no nandrombaka ny amboara, tamin’ny andiany farany, tamin’ity fifaninanana ity. Fanentanana vaky boky. Teny Amboditsiry, boriborintany […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 88,86 dolara ny vidin-tsolika iray barila, omaly 26 oktobra. Nihena io vidiny io raha oharina ny herinandro lasa, satria efa tafakatra 92,88 dolara tamin’ny 19 oktobra. Tamin’ny iray volana lasa, ny 18 septambra kosa no ambony indrindra, nahatratra 94, 54 dolara. Hankalazaina isaky ny 27 oktobra ny Andro […]

TSELATRA

Mpitondra bisikileta iray naratra nodomin’ny kamiao lehibe an’ny mpitandro filaminana tetsy Anosizato, omaly. Tafasitrika tao ambanin’ny fiara mihi­tsy ilay bisikileta saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Naratra mafy ilay mpitondra ity farany ary nentina notsaboina. Foibe ana fahitalavitra iray ao Amba­tondrazaka saika nodoran’ny tsy mataho-tody tao Ambohimiangaly, afakomaly alina […]

SOMBIM-BAOVAO

Nandeha nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny FIFA ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Marihina fa hampiseho sy hanazava ny fandaharanasany no tena aton-diany any an-toerana. Tanjon’ny FMF ny hanaovan’ny Barea de Madagascar ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fialantsasatra, nandritra ny volana vitsivitsy, nanomboka niverina nanao fanazarantena tsikelikely teny amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nolaniana ny taona 2018 ny fankatoavana ny fahaiza-manao (VAE), rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Faritra efatra no nanaovana ny dingana andrana, ny taona 2021, amin’ny sehatrasa dimy: fizahantany sy fandraisam-bahiny ary fampisakafoanana, taotrano sy ny asa vaventy, ny zaitra sy ny kojakoja. 86 ireo […]