Tselatra

INDRAY MIJERY

Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana miloko mena, anio, eo anelanelan’i Besalampy sy Vangaindrano noho ny ranomasina hahery be. Tomba­nana hahatratra hatramin’ny 5,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Morondava hatrany Taolagnaro, manodidina ny 3m kosa ny eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava sy ny any Taolagnaro hatrany Vangaindrano. Ivontoeram-panofanana tsy miankina niorina […]

TARATRY ny KANTO

Kontroller. Tanterahina eny amin’ny Aft Anda­vamamba, ny 4 oktobra 2023 ho avy izao, ny fampisehoana « Kontroller ». Vondrona mpandihy sangany eo amin’ny dihy ankehitriny no handray anjara amin’ny fampisehoana. Ny Aft miaraka amin’ny “Trotra festival international de danse contemporaine” no mikarakara ny hetsika. “Little Miss & Mister Univers”. Misolo tena an’i […]

FANTINA sy FINTINA

Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio alina, ny praiminisitra, sady filoham-panjakana miara-mitantana. Handeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny resadresaka. Hizara izany koa ny fitaovan-tserasera tsy miankina sy ny tambajotran-tserasera. Manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny finiavana hamboly korontana sy krizy politika vaovao kasain’ny sasany hatao […]

Tselatra

Tafahanika amin’ny rindrim-bato manamorona ny fefiloha Sisaony, teo akaikin’Antanimenabe Ampita­tafika, ny taxi-be zotra G iray, omaly. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nieren-doza avokoa ireo mpandeha tao anatiny. Tratran’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely ny jiolahy iray nanafika fiangonana. Nanafika tokantrano iray ao Antanetibe, fokontany Manjaka […]

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny basikety eto Mada­gasikara. Nodimandry omaly, Razaiarisoa Lalatiana (Lala Mijomba). Mpilalao tao anatin’ny ekipa nasionaly fahiny izy, mpikambana teo anivon’ny ligin’i Boeny, filohan’ny kaomisiona Basikety, vehivavy, ary mpilalao eo amin’ny sokajy Vétérans. Asief. Hanatanteraka fikaonandoha, any An­tsi­rabe, B ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des […]