Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny basikety eto Mada­gasikara. Nodimandry omaly, Razaiarisoa Lalatiana (Lala Mijomba). Mpilalao tao anatin’ny ekipa nasionaly fahiny izy, mpikambana teo anivon’ny ligin’i Boeny, filohan’ny kaomisiona Basikety, vehivavy, ary mpilalao eo amin’ny sokajy Vétérans. Asief. Hanatanteraka fikaonandoha, any An­tsi­rabe, B ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des […]

INDRAY MIJERY

Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro eto Madagasikara, ato anatin’ny telo andro ho avy ankoatra ny faritra vitsivitsy manodidina ny afovoany atsinanan’ny Nosy. Mila malina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina noho ny alon-drano avy atsimo andrefana. Natao […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratra nangalatra herinaratry ny Jirama ny tokantrano iray eny Ambohijatovo Ambony, omaly alatsinainy. Maromaro ireo efa tratra ny herinandro teo, toy ny mpanamboatra kodiarana eny Anosizato, ny masinin-kazo iray eny Antohomadinika, sy ny hafa. Mampandre ny mponina ny Jirama, ho sahy hitoroka amin’ny laharana 547, izay mijanona ho tsiambaratelo ny […]

TARATRY ny KANTO

« Slam nationale 14 ». Vonona avokoa ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny « Slam nationale 14 ». Nampahafantarin’ny mpikarakara omaly, tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. ADMC-CRAAM Ankatso, IFM Analakely, AFT Anda­vamamba no hanatanterahina ny hetsika, manomboka ny 21 septambra 2023 izao. “Atelier Hay”. Mitohy hatrany ny fampivelarana ny kilonga 12 hatramin’ny 15 taona, […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny governemanta ifarimbonana natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ireo Ambasadaoro avy amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny G7, nahitana an’i Soisa, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni, ny Vondrona eoropeanina ary i Allemagne. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovana, izay naharitra ora roa. Miantso ny vahoaka malagasy […]