Tselatra

Tselatra

Tratran’ny polisy teny Ambodinisotry, afakomaly tolakandro, ny jiolahy efatra tratra teo am-panendahana olona. Renim-pianakaviana iray avy nijery fitaovam-pianaran’ny mpianatra teny Isotry no narahan’ireto jiolahy ireto. Efa narahan’ny polisy anefa izy ireo ka noraisim-potsiny.   Jiolahy iray nitondra antsy lavalela no nifanehatra tamin’ny polisy teny Ankasina, afakomaly. Tovolahy enina izy ireo […]

INDRAY MIJERY

Maro ireo karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana entin’ireo fiaraben’ny fahasalamana anatin’ny hetsika “Sarobidy ny aiko”. Ankoatra ny fizahana ankapobeny, ahitana gynécologie, échographie, ophtalmologie, ORL, fanjarian-tsakafo, fitsaboana ny fo sy ny lalandra, fitarafana, fitsaboana nify koa ny tolotra. Hiara-hiasa ny «Humanité £ inlcusion», amin’ ny alalan’ny tetikasa «Hifali 2» sy ny Centre […]

TARATRY ny KANTO

Slam Sambava. Zuma Ianotombo sy Para­cetamol no hisolo tena ny tanànan’i Sambava, mandritra ny “Slam national 14”. Vita ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana ho azy ireo. Hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao izany, ho an’ny tanàn-dehibe sasany sahala amin’ny ao Antsirabe sy Fianarantsoa. “Formation Ainga”. Tantaran’ny haikanto, niarahana tamin’Andrianetrizafy Hemerson, […]

FANTINA sy FINTINA

“Matoa manohana ny fampandrosoana entin’ny filoha Rajoelina ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mahafantatra izy ireo fa mandeha araka ny tokony ho izy izany”, hoy ny loholona sady filohan’ny vovonana Ifi, Ramanambitana Richard, teny Antananarivo Atsi­mondrano, ny faran’ny herinandro teo. Mba tsy ho voarebirebin’ny mpanenjika sy tsy tia ny fitondrana ny vahoaka, fa […]

TSELATRA

Fasana iray indray novakian’ireo tsy valahara tao Mananety Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Very tamin’izany ny taolan-dava rehetra tao am-pasana. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny razana sisa tavela. Dahalo iray lavon’ny miaramila eo anivon’ny 422e Compagnie d’Infanterie Ambatomainty, ny sabo­tsy teo. Anisan’ireo nanao fanafihana tao amin’ny ta­nà­nan’Amposa, kaominina Mahabe ity maty voatifitra […]