Tselatra

INDRAY MIJERY

Hikorontana ny fifamoivoizana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy any atsimo na atsimo andrefana. Hahery be ny ranomasina ka nahazo filazana fampitandremana ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany sy Vatovavy, manomboka ny […]

Sombim-baovao

Taorian’ny faharesen’i Allemagne tamin’ny isa 1 no ho 4, nanoloana an’i Japon, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, taranja baolina kitra, dia voaroaka tsy hanazatra an’i Mannschaft i Hansi Flick, Alema mpanazatra. Araka ny vaovao voaray, Rudy Voller no manolo ny toerany, araka izany. Tsiahivina fa noho ireo […]

TARATRY ny KANTO

Tontolon’ny teatra. Nodimandry i Fredy. Vitsy ny mpilalao tahaka an’i Fredy. Hoy ireo mpankafy : « tena nahay nilalao i Fredy. Nanana fahazotoana nampiaiky ny rehetra teo amin’ny filalaovana teatra ». Saika milalao fototra hatrany izy tamin’ireo anjara notanany. Fantatra fa efa nilalao teatra tamin’ ny tropy Nelson Rasamimanana sy tropy Orimbato. Hisy […]

FANTINA sy FINTINA

Hatao anio, eny amin’ny Ceni Alarobia, ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandidà, anaty biletà tokana. Ho avy eny an-toerana hanatrika izany ireo kandidà miisa 13 na ny solontenany. Nampanantena ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni amin’izany. Hatonta any ivelany miaraka amin’ireo kojakojam- pifidianana izany rehefa vita. Voatendry ho loholona ny Jly […]

TSELATRA

Fatin-dehilahy iray efa nifono tamin’ny harona plastika lehibe nisy nanary teny amin’ny fokontany Mahabo Andoharanofotsy, afakomaly. Mpiasa amina orinasa iray misahana ny fiambenana “agent de sécurité” ity hita faty ity. Tsy mponina eny an-toerana izy, raha ny fanazavan’ny manodidina. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty voahosin’ny kamiao teny Andohatapenaka, ny faran’ny […]