Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Afaka sivy andro, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taranja tenisy. Hotanterahina ny 27 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ao amin’ny Club Olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy. Tsiahivina fa handrafitra ny ekipam-pirenena Akomba de Madagascar izay tompondaka eo. Notanterahina omaly, ny fihaonana teo amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 34 ireo orinasa nahazo fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho amin’ny taom-panondranana 2023-2024 sy 2024-2025, ao amin’ny sokajy indostrialy. Tsara ny vokatra tamin’ity taom-pamokarana ity, takafatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha toa ka 25 000t teo aloha. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ihany koa ny vola azo tamin’izany. Mampiofana ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy mandritra ny 15 andro ny fanadiovana ireo lakandrano eny anivon’ny fokontany, voakasiky ny tetikasa Himo. Natomboka teny amin’ny fokontany An­dra­voa­hangy tsena izany tamin’ity herinandro ity. Entanina hatrany ny mponina hanary ireo fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany. Ny Antenimieran’ny tanora mampiasa sy miteny frantsay dia miantso ny tanora amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

«Malagasy mankany», etsy amin’ny IKM Antsahavola. Halefa anio indray, manomboka amin’ ny roa ora ity sarimihetsika malagasy notontosain’i Hamy Ratovo ity. Arahina adihevitra izany, hotarihin’i Aina Randrianatoandro, mpankafy sy mpitsikera sarimihe­tsika. Ho avy eo, hamaly ny fanontanian’izay liana amin’izany koa ny mpanatontosa. «Maimbo Olombelona». Ny angano «Maimbo Olombelona» sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hiova endrika ny tolona, araka ny nambaran’ ny vondron’ny kandidà 10. Nihaona amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny antoko ary fikambanana politika izy ireo, omaly, teny Andraharo. Nohamafisin-dRa­va­lo­manana izany fa havadika ho tolom-bahoaka izany. Harahi-maso ara-pitsarana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, taorian’ny niakarany fampanoavana, tetsy Anosy, omaly. Hatao ny 12 desambra kosa ny […]