Tselatra

Vaovao tambatra

Voarara ny fampiasana ny jiro  maroloko sy « flashy » ho an’ny fiara na moto manerana ny Nosy, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Anisan’ny mahatonga lozam-pifamoivoizana ny fampiasana ireo jiro voalaza ireo. Hisy ny sazy hampiharina amin’ireo izay minia mandika lalàna. Tanora  mpandraharaha miisa 100  no […]

Taratry ny kanto

Niu Raza. Tanterahina ny sabotsy 9 septambra 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana hataon’i Niu Raza. Seho an-tsehatra ahitana dihy sy hira no ampanantenain’ity mpanakanto ity ny mpankafy azy. Efa lany tanteraka ny tapakilan’ny fampisehoana, omaly. Fotoana sisa, araka izany, no andrasan’ny rehetra. “Vazo miteny”. Hihaona eny Antsahamanitra, ny […]

Indray mijery

Manamarika ny faha-25 taona nisiany ny fikambanan’ny mpitsabo misehatra amin’ny minisitera eto amintsika. Hanomboka anio, amin’ny alalan’ny hairanty eo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika. Misy fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny diabeta, fitsapana tosidra izay maimaimpoana anatin’ny tolotra omena ny mpitsidika eny. Hisitraka fampiofanana sy fampitaovana mikasika ny fitantanana ny […]

Fantina sy fintina

Mitaky fanazavana amin’ny Foloalindahy ny Jly Tsaranazy Jean Emile. Nambarany fa anisan’ny fepetra noraisin’ny amiraly Ratsiraka ny nandroahana ny tafika frantsay teto. Nahasarotiny azy ny fiandrianam-pirenena. “Tokony haneho hevitra ianareo Foloalindahy, manoloana ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena frantsay“, hoy izy. Nandray fepetra manokana ny prefet de Police Antananarivo sy ny […]

Tselatra

Takalonaina avotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ampiha, kaominina Tsivory, distrikan’Amboasary Atsimo, ny alahady 3 septambra teo. Nanafika tao amina tokantrano iray ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana. Nodoran’ireto farany ny trano ary nentiny ny renim-pianakaviana iray. Natakalo vola 5 tapitrisa Ar izy vao votsotra. Voasambotry ny zandary ilay raim-pianakaviana […]