Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo, omaly hariva. Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary, iray tratra, iray tafatsoaka. Nikasa hanao fanafihana tranombarotra ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Basy Kalachnikov iray tratra. Nitohy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny lonilony teo amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion sy Maurice momba ilay penalty […]
Tselatra
Indray mijery
Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 5 i Algerie amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Natao ho an’ireo te handalina ny siansa momba ny fitsaboana biby sy ny siansa momba ny zavaboahary izany . Natao indrindra ho an’ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo. Efa misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’izay maniry […]
Taratry ny kanto
Hanomboka ny 9 septambra izao any Soisa ny « AmbondronA Europe Tour 2023 ». Ny 16 septambra any Alemainina. Hitohy any Toulouse, ny 23 septambra. Ny 30 septambra ho ao amin’ny Renivohitr’i Frantsa indray ny tarika AmbondronA. Ny 7 oktobra, hanatanteraka seho any Marseille. Rahampitso amin’ny 12 ora atoandro, eny amin’ny Kianja […]
Fantina sy fintina
Tafakatra 14 ireo kandidà nahavita nanatitra ny dosieny teny amin’ny HCC, hatramin’ny omaly tolakandro. Miisa efatra ireo mpirotsaka hofidina tonga teny Ambohidahy, omaly, ka anisan’izany Andrianainarivelo Hajo (MMM); Raderanirina Sendrarison Daniela (Fy-M); Razafinjoelina Tahina (FTT) ary i Lachapelle Hery Tiana Guy (Natiora). Mbola voafidy ho filohan’ny holafitry ny mpisolovava ny […]
Tselatra
Jiolahy telo indray maty voatifitry ny miaramila tao Ankazoabo, afakomaly. Nanafika tao Ampandrabe ireto malaso ireto no nifanehatra tamin’ny miaramila mpampandry tany. Tratran’ny polisy ao Alasora, afakomaly, ireo jiolahy mpangalatra jiro an-dalambe. Teo am-pakana jiro tao amin’ny fokontany Mahitsy ry zalahy no hitan’ny fokonolona sy ny polisy. Vehivavy roa no […]