Tselatra

INDRAY MIJERY

Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo. « ADMC- CRAAM […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny “Cop 28”, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra, atao any Dubai, Emirats Arabes Unis, i Madagasikara. Hampia­vaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana “pavillon de Madagascar” izay se­hatra hampisongadinana ny Nosy sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka mahakasika ny “crédits carbones”. Maherin’ny 20 000Ar […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny miaramila DSS12 ny dahalo saika handroba tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, fokontany Miaramanana, kaominina ambanivohitr’i Tampo­na­la, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly alina. Efa malaza ratsy ao amin’ity tanàna ity ny fisian’io olon-dratsy io ka antony nahatonga ny miaramila nametraka vela-pandrika. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny jiolahy iray […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, sokajy zandriny. Tazana mandray anjara amin’izany, ilay vehivavy malagasy U-16, Rajaobelina Iriela. Tsiahivina fa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Akomba, izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Manomboka mandeha ny fanazarantenan’ireo klioba rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. […]