Tselatra

INDRAY MIJERY

Tokony hanana fahazarana manasa ny voankazo sy ny legioma hanina manta amin’ny rano sy savony ny rehetra hisorohana ny aretim-pivalanana mahazo vahana rehefa betsaka ny rotsakorana, hoy ny mpitsabo. Rano avy nampangotrahina koa no mety indrindra hosotroina, indrindra ho an’ny ankizy madinika. Afaka manao fitiliana ny aretina tazo, Covid-19 ny […]

TARATRY ny KANTO

« Le Mystère d’Octobre ». Haseho an-tsehatra, anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny teatra “Le Mystère d’Octobre”, iarahana amin’ny Tropy mpiangaly teatra avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry. Ity fampisehoana ity no entina hamaranana ny “Festival des Livres Thrillers”, andiany faharoa. Kilalaon-tsaina. Ao anatin’ny fampiofanana sy fampianarana mahakasika ny Fanorona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 32 ireo Malagasy nandray anjara ta­min’ny “African Business Education for Youth Initiative (ABE Initiative)”. Fandaharanasa karakarain’ny JICA, nanomboka ny taona 2013, ny ABE initiative izay ahafahan’ireo mpandray anjara misitraka fianaran’asa sy fandraharahana any amin’ny firenena Japoney. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria aty Afrika sy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta […]

FANTINA sy FINTINA

Manentana ny vahoaka sy ny mpanao politika hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 16 novambra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, ny faran’ny herinandro teo. Niantso ny hametrahan’ny miaramila ny basiny ireo ampanjaka sy tangalamena, tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo tetsy Antsakaviro, omaly fa […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Andranotapahana, Ambohidratrimo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra azy. Nahitana ratra ny faritry ny lohany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana momba ny nahafaty io lehilahy. Sekoly tsy miankina iray tao Ambondro­mife­hy, Diego II anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anivorono Avaratra hotohoton’ny afo, afakomaly alina. Niredareda tampoka […]