Tselatra

Vaovao tambatra

Tapitra omaly ny hetsika « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-10. Hetsika ara-barotra sy ara-toekarena hanandratana ny vita malagasy sy ho fampirantiana ny vokatra nataon’ireo mpandraharaha misitraka tohana avy amin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra. Nahasarika mpitsidika maro ny hetsika. Miara-misalahy amin’ny fanamboarana ny digy vaky efa an-taonany […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana. CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, ny “El Classico 2023” any Espagne. Lavon’ny Real Madrid, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny FC Barcelone. Baolina tafiditr’i Bellingham, mpilalao Real Madrid no nitondra fandresena ho an’ireo Madri­lenina. Eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Real Madrid. Lavon’ilay […]

TARATRY ny KANTO

Logos Hope. Nigadona tao Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny Logos Hope, sambo famakiam-boky sy mivarotra boky lehibe indrindra, izay mitety firenena maro. Hatramin’ny 12 Novambra moa izy no hijanona ao an-toerana, ka azon’ny rehetra tsidihina. Maimaimpoana izany ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona. Efa madiva hifarana ny « Festival […]

FANTINA sy FINTINA

Hiala nenina amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny kandidà 10, anio, araka ny lahateny teny Antsonjombe, ny sabotsy teo. Hitondra taratasy miantso fandraisan’andraikitra amin’io minisitera io sy ny polisim-pirenena izy ireo. Narangaran’ireo kandidà koa fa hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo raha tsy misy ny vahaolana. Mitaky ny handravana […]