Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny mpiray tanindrazana hivavaka ho an’ny firenena ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Hotanterahina etsy Antsahamanitra anio tolakandro izany. Nambaran’izy ireo fa fotoana itondrana am-bavaka ny olana mandalo eto amin’ny firenena izany. Mandeha hatrany ny fifidianana na tsy hanao aza ireo kandidà 10, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka […]

TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana no kila hotohoton’ny afo teny Miandrarivo Ambanidia, omaly hariva. Fipoahana herinaratra no voalaza fa nahatonga ny firehetana. Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina ny fokonolona teo an-tanàna. Na somary nanano sarotra aza ny famonoana ny afo, avotra soa aman-tsara ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Judo. Malagasy mpilalao 3 no handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Ahitana an-dRasoanaivo Razafy Luc, Rasolondraibe Mamy Don­go­zo ary Heriniaina Samuel Vestalys. Fifaninanana hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Toliara, ny […]

INDRAY MIJERY

Natolotry ny minisitry ny Fampianarana teknika B ny fahazoan-dalana ara-panjakana hisokafan’ny ivontoeram-piofanana Axian Diploma, etsy Andraharo, ny herinandro lasa teo. Enina ny lalam-piofanana atolony ary manaraka ny «formation professionnelle qualifiante ». Mivoaka ho teknisianina avy hatrany ireo mpiofana. Nisitraka fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, aron’akanjo, pensilihazo ary fitsipika ireo mpianatra ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 17 778 ny vahiny nitsidika an’i Madagasikara ny volana septambra 2023 teo. Nitombo io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ ny taona 2022, izay nahatratra 16 226. Mitotaly 157 000 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara nanomboka ny janoary hatramin’ny septambra teo. Tanjona ny hisian’ny mpizahatany 300 000 amin’ity 2023 […]