Nahazo fanamboarana “glace alimentaire” i Maevatanana, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Afaka mamokatra gilasy 10 isa isan’ora ny milina ka milanja 12 kg ny bara gilasy iray. Hisitraka tombontsoa amin’izany ireo mpanjono sy mpikirakira hazandrano ary ny mpivarotra entana mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Hisy ny paikady hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny […]
FANTINA sy FINTINA
“Tsy nitondra antsika ho aiza ny korontana sy ny ady”, hoy Ratsiraka Sophie, avy amin’ny Ratsirakista, omaly. Nanteriny fa efa hita ny voka-dratsin’ireo tranga niseho rehetra teo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny isam-batan’olona. Tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana ny hetsika fidinana an-dalambe etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja ilay lehilahy nanolana ankizivavy 5 taona tao amin’ny fokontany Ankosy, kaominina Merimanandroso, distrikan’Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo. Napetraky ny ray aman-dreniny tao amin’ny renibeny io zaza io. Nanararaotra anefa ilay lehilahy rehefa tsy teo tampoka koa io reniben’ilay ankizivavy io. Voasambotra ny nahavanon-doza ny 22 oktobra teo ka […]
VAOVAO TAMBATRA
Nampiofanina amin’ny fiompiana trondro ny tantsaha any amin’ny kaominina Ambodiriana Sahafary, distrika Nosy Varika, faritra Vatovavy. Karazan-trondro tilapia no nampianarina azy ireo, mba ahafahan’ny mponina mivelo-tena sady mahavelona. Nisahana ny fiofanana ny fitantanam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Vatovavy. Ahina ho lany tamingana ny 90% amin’ny varika eto […]




