Tselatra

TARATRY ny KANTO

Manan-talenta ny Malagasy. Raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana momba ny hira sy ny fivoaran’ny fiarahamonina, anisan’ny mitazona ny Malagasy tsy hianatra solfezy io fananany talenta lehibe io. Ny ankamaroan’ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpamoron-kira, sns, mbola mihevitra fa tsy mifanaraka amin’ny talenta ananany ny solfezy, satria, « zava-bahiny ». Hetsika famoaham-boky. Mpanoratra 6 mirahalahy […]

VAOVAO TAMBATRA

Miahiahy amin’ny asa fivelomany sahady indray ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, anio, manoloana ny toe-draharaha politika eto an-toerana. Potika ny toekarena, tsy mampidi-bola ireo tokantrano mivelona amin’ny tsena. Miankina amin’ny vola ny fihodinan’ny fiainana andavanandro. Manomboka androany ka hatramin’ny alarobia izao ny salon WTM London 2023 atao ao […]

FANTINA sy FINTINA

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Von­dron’ny kandidà, ny sabotsy teo, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo. “Nanenjika olona hatrany an’elankela-trano. Helohinay ny fampiasan-kery tamin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Efa nanolotra mpisolovava ireo voasambotry ny zandary ireo kandidà. Mijoro ny vovonan’ny FFKM sy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, […]

TSELATRA

Mpitondra bisikileta iray maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nandeha mafy ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ilay mpitondra bisikileta teo alohany. Votsotra teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby 20 tao tao Andriamavo, fokontany Ambalavelona, kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’ i Mahajanga […]

SOMBIM-BAOVAO

Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hotanterahina any Egypte, ny volana desambra ho avy izao, ny ekipam-pirenena ma­lagasy, Ankoay, taranja basikety 3×3. Ity fifaninanana ity, natao hiadina ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika “JO 2024 – Paris”. Efa nanomboka omaly, tany Nosy Be ny fivoriambe ara –potoana […]