Tselatra

TARATRY ny KANTO

Telma- « Lalaon’tsika », 11 ireo nahazo loka. Natolotra afakomaly, teny amin’ny foibe Telma Andraharo, ny loka goavana ho azy ireo. Anisan’izany ny “kit home baliaka” 500, finday Motorola sy Ipad 9, fahitalavitra lehibe… Nahazo nandray anjara tamin’ny “Lalaon’tsika” avokoa ny mpanjifa Telma rehetra manerana an’i Madagasikara, nandritra ny enina […]

FANTINA sy FINTINA

“Haverina ho vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany”, hoy ny mpitarika ny Mihavana Tour, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy maintsy haverina ny fifidianana ho lehibem-pokontany, izay efa tsy nisy nandritra ny 20 taona. Hanafainganana ny raharaham-panjakana sy ny filan’ny vahoaka no tanjona amin’izany. Nohelohin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny herisetra natao tamin’ireo mpitrandaraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Nasandratr’i M’Madi ny voninahi-pirenena nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety U19, natao tany Hongrie. Voalohany nandray anjara i Madagasikara kanefa efa ren’izao tontolo izao ny laza noho i M’Madi. Izy no mpilalao nahazo ny “meilleur marqueur” nandritra ny fifaninanana. Nahatratra 169 be izao ny isa azony tamin’ireo lalao 7 […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka, omaly, ny fanadinana Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP) ka nanokatra izany ny minisitra Vavitsara Rahantanirina, tao amin’ny LTPGC Mahamasina. Mahatratra 10 384 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay miparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 88. Mifanindran-dalana amin’ity BEP ity ihany koa ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA) . Mandritra ny 5 taona […]

Vaovao tambatra

Mihoatra ny 5.000 Ar ny sanda ivarotana ny euro eo amin’ny tsenam-bola. Ho an’ny orinasa ara-bola tsy miankina iray, vidiany 4.500 Ar ny 1 euro, ary 5.150 Ar no ivarotany azy. Ho an’ny banky foiben’i Madagasikara, misanda 4.887 Ar ny 1 euro, omaly, raha 4.511 Ar ny 1 dolara. Tohanan’Ambatovy […]