Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Nigadona tany Kinshasa RD Congo, omaly, ny delegasiona malagasy andiany voalohany, hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia. 44 ny isan’ny delegasiona (basikety, tolona, atletisma, tenisy ambony latabatra), miampy atleta 2 avy ao Frantsa, ahitana an’i Fabio (ping) sy i Marion (basikety). Hanainga rahampitso sabotsy kosa ny taranja Judo sy ny kolontsaina. Hotontosaina […]

Vaovao tambatra

Lohahevitra momban’ny fitantanana ny harena an-dranomamy sy fahafaha-manao famokarana aminy ary ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Mada­gasikara. Ireo no novoaboasana nandritra ny andro fahafiton’ny seminera mahakasika ny jono atao any Sina, omaly. Maro ireo teboka nivoitra nandritra ny he­tsika. Atao mandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 jolay izao, ny fampihaonana […]

INDRAY MIJERY

Rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro, dia ho tapaka amin’ny ampahany ny lalana eo anoloan’ny Instat, RNM, Fitsarana, Anosy ary St Michel. Hisy ny hazakazaka masina ataon’ny FJKM Ambondrona SP19 amin’ireo toerana ireo. Nampilaza ny fiadidiana ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra fa foana ireo toeram-piantsonana eo […]

TARATRY ny KANTO

Teatra malagasy. Holalaovin’ny tropy Anta­nanarivo Teatra, etsy amin’ny AFT Andavamam­ba, ny alahady izao, ny tantara an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « Tanora fanantenana ». Tantara mampihetsi-po, nosoratan’i Dolores de Valih. Fifanka­tiavan’olon-droa irian’izy ireo ho mandrakizay, kanefa noho ny kajikajy ataon-drafozana, ho tonga any amin’io tanjona io ve izy roa ? Tontolon’ny mozika mavesatra. Hiaraka […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, fa manohana ny Ceni izy ireo. Na izany aza, tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra tsy mety sy ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy azo ekena ny hala-bato sy ny kolikoly amin’ny fifidianana”, hoy izy tamin’ny fikaonandoha, notarihin’ny Ceni, tetsy Ambodivona, omaly. Misy ny fanaovana « Service minimum» […]