Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Efa niverina amin’ny laoniny omaly ihany ny fama­tsiana herinaratra amin’ny faritra Atsimon­drano. Efa voasolo ilay « poutre » tamin’ny andrinjiro nitondra ny herinaratra mahery vaika teny Ambohi­janaka, Mahabo ary Mahalavolona. Tsiahivina fa naharitra ora maro ny fahatapahan’ny herinatra teny an-toerana, omaly. Mbola mitohy ilay atrikasa iarahana amin’ireo Sinoa manam-pahaizana momba […]

INDRAY MIJERY

105 ny toerana fanangonana tavoahangy plastika napetraky ny orinasa Star amin’ny toerana maromaro manerana ny Nosy. Nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty, 35t ny tavoahangy plastika voaangona ka navadika ho akanjo sy zavatra hafa mbola azo ampiasaina indray aty aoriana. Misy ny mpiara-miasa any amin’ny toerana misy ny vata […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fiofanana tselatra eo amin’ny kabary. Rahampitso 1 aogositra, zoma 4 aogositra ary ny zoma 11 aogositra no hanatanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany izany, etsy Andavamamba. Hianarana amin’izany ireo karazan-kabary fanao amin’ny vaninandro miavaka toy ny tsingerin-taona, asaramanitra, fitokanana isan-karazany. Mahatratra 51 ny isan’ny tarika mpanao hiragasy eto Madagasikara. […]

FANTINA sy FINTINA

“Andao hatao ny fifidianana rehefa vonona”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondravoavy Andrianjafinjakolona, manoloana ny fitakian’ny mpisehatra politika sasany fanemorana izany. Betsaka ny fifidianana efa hita nandeha teto, fa tamin’izao no tena nipetraka ny hoe mangarahara, hoy izy. Vonona hiatrika fifidianana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, […]

TSELATRA

Lehilahy iray mpanao trano no maty tao anaty lavadrano iray eny Ambohimangakely, ny sabotsy teo. Nandritra ny fidinany hikarakara ity lavadrano teny Antanambao Ambohimangakely no nitranga ny loza. Sempotra tao anaty lavaka izy ka antony nahatonga ny fahafatesany, araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina tonga nampiakatra ny razana. Nidoboka eny amin’ny […]