Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

«Japan Tour», taranja baolina kitra. Resin’ny ekipa Cerezo Osaka Japana, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny klioban’i Frantsa ,Paris Saint Germain (PSG) diviziona voalohany. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’i Yanmar Nagai Japon. Marihina fa indroa amin’ity izay i Luis Enrique no nitondra lalao ho an’ny PSG. “Sport Equestre”, anisan’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha 800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa. […]

TARATRY ny KANTO

“Samedi de la foundation H”. Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, ny atrikasa famoronana ho an’ny olon-dehibe. Ny mahakasika ny fanenomana amin’ny tanana no amin’izany. Hiarahana amin’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny tenona no mikarakara ny hetsika, izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina. Slam national […]

FANTINA sy FINTINA

Misy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Ampela manao politika (AMP), Rasamoelina Brigitte. 15 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy, nefa 11 tapitrisa ihany no voasoratra. Manana adidy ny Ceni, na marina aza ny hoe misy ny olona tsy te hisoratra. Fotoana izao hananganana governemanta vaovao hikarakara fifidianana […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny Ampefiloha, manakaiky ny lakan­dra­non’ Andriantany, afakomaly alina. Lasan’ireo jiolahy telo ny poketra teny aminy. Rehefa vita ny asa ratsy, nazeran’ireo jiolahy tany anaty ranom-potaka ilay vehivavy tsy ahafahany miantso vonjy sy manenjika. Mpiambin-tanàna telo mianadahy nivarotra ny entan’ny mpampiasa azy. Saron’ny zandary ny 22 jolay […]