Niditra nianatra ny 6 marsa daholo ireo mpianatra ao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Vatovavy, taorian’ny fiatoana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Na nisy aza ireo sekoly simba sy ravan’izany rivodoza izany dia nisitraka tranolay 124 avy amin’ny Unicef sy efatra avy amin’ny Save the children ny faritra ka narafitra natao […]
Tselatra
Indray mijery
Tanterahina any amin’ny faritra Androy ny tetikasa Mianatra. Ankizy anarivony no misitraka sakafo an-tsekoly mitondra otrikaina. Sekoly 18 any an-toerana no hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa McGovern-Dole International Food for education and Child Nutrition izany. Tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fambolena ara-bola. Ao anatin’ny 5 taona manaraka, fatran-tsakafo mitondra […]
Tselatra
Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Vangaindrano herinandro vitsy lasa izay. Hita afakomaly, tao amin’ny fokontany Andriambe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ihsy izy. Velon’aina ilay zaza raha notrohan’ireo tsy mataho-tody kosa ny ampahan’ny rany. Vokany, olona miisa dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity raha mbola karohina kosa ireo efatra […]
Tselatra
Nahitana fatim-behivavy iray tao amin’ny fokontany Sazomena kaominina Sahatavy distrika Vavatenina omaly. Maty tao anaty toeram-pitrandrahana volamena ity vehivavy ity. Potika tanterana ilay vata-mangatsiaka ary tsy misy hamantarana azy intsony.
Tselatra
Mbola karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray anisan’ireo nanolana ankizivavikely 13 taona tao Tsimenatsy-Toliara. Voasambotra sy atao famotorana kosa ireo namany enina hafa. Tsiahivina fa efa iray volana taorian’ity zava-doza ity vao sahy nitantara ny zava-nahazo azy ilay zazavavy. Noraketina an-tsary sady naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanolanana natao azy.




