Hita aty Afrika amina firenena maro ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny sakafo sy ny solika. Tafahoatra amin’ny nikajiana azy izany, tsy araka ny navoakan’ny Banky foibe maro aty Afrika. Voadonan’io fiakaran’ny vidim-piainana io ny mponina maro, indrindra amin’ny sakafo izay andaniana mihoatra ny 50 % amin’ny vola azo. Tsy tafavoaka […]
Tselatra
Tselatra
Lehilahy miisa roa no nahatrarana vola sandoka mitentina 1.060.000Ar tao Manakara. Nisy mpivarotra nitaraina fa naharay izany tao an-toerana ka nisokatra ny fanadihadiana. Voasambotra tamin’izay izy roa lahy, mbola nahitana vola sandoka marobe teny aminy. Nilaza kosa izy ireo fa azony tamina varotra omby tao Ihosy ny vola.
Tselatra
Torana tao anaty taxi-be ny masera iray teny Tanjombato omaly. Tsy fantatra izay nahazo azy fa izy tsy nahatsiaro tena teo ambony seza no nahataitra ny olona tao anaty fiara. Nentina nihazo toeram-pitsaboana izy avy hatrany izy. Renim-pianakaviana iray maty nihotsahan’ny trano afak’omaly alina tao Manakambahiny andrefana, Ambatondrazaka. Naratra mafy […]
Eran-tany
Hitombo betsaka ary tafakatra ambony ny tinady eo amin’ny solika amin’ity taona ity, araka ny fisokafan’ny toekarena any Chine. Taorian’ny fepetra momba ny fahasalamana no hampitombo ny tinady eo amin’ny solika, maro indrindra 101,7 tapitrisa barils isan’andro. Tombatombana nataon’ny AIE (Agence internationale de l’énergie) izany. Tsy maharaka ny tinady ny […]
Tselatra
Mpivarotra rongony telo lahy indray no voasambotry ny zandary tao Ampahimanga, Ambohimanambola afakomaly. Tsy vitan’ny manaparitaka io zava-mahadomelina io fa midoroka koa izy telo ireto. Ny 30 desambra lasa teo, lehilahy iray hafa koa tra-tehaka niaraka tamina fonosana rongony miisa 61 tao amin’io fokontany io ihany. Lasan’ny jiolahy ny kitapo […]




