Tselatra

Tselatra

Lavon’ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Ambohimanga, fokontany Antsahondra, Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy ny zoma 17 febroary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny fokontany ireto olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo fokonolona. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary. Nirifatra ireo dahalo mirahalahy vao […]

Indray mijery

Hanokatra ny taom-pambolen-kazo amin’ity taona 2023 ity ny Tily eto Madagasikara ny alarobia 15 febroary izao eny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza. Manao fanamiana ary mitondra ireo fitaovana ahafahana manao ny fambolen-kazo ireo rehetra hanatrika izany. Ny 22 febroary kosa no mifanentana ny Tily rehetra amin’ny fanomezan-dra maimaimpoana hotanterahina eny amin’ny CRTS […]

Tselatra

Nahazo fahafahana vo­n­jimaika avokoa ireo olo­na miisa enina voarohirohy ho naka an-keriny an’ilay to­vovavy 19 taona mpianatry ny polytech ny 04 janoary teo. Tsiahivina fa natao takalonaina tao Andranomisa, ka­ominina ao ihany sy dis­trikan’An­jo­zorobe ity tovovavy ity. Navotsotr’ireo mpa­ka an-keriny izy ny 24 janoary teo. Tratra tamin’ izay koa ireo […]

Tselatra

Sambokely iray no rendrika teo amin’ny seranan-dakana tao Anosinakoko Farafangana, omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Olona telo no tao anatiny ka ny iray nitsambikina raha mbola tsy hita popoka kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Natolotra ny fampanaovana omaly ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana […]

Tselatra

Olona telo, avy amina ankohonana iray, naratra nilatsaham-potaka tao Volahotro, fokontany Ambalavao, Kaomi­nina Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa ny faran’ny volana janoary teo. Tao anatin’ny ora-mikija, nirefotra tampoka ny varatra. Niditra tao an-tokantranon’izy ireo. Vokany, naratra ny telo mianaka ka nentina namonjy hopitaly. Tsy nisy ahina ny ain’izy ireo.