Manodidina ny 2 230 dolara ny vidin’ny once ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe, ny 28,35gramma. Ity no vidina volamena ambony indrindra, raha niakatra 12% izany hatramin’ny tapaky ny volana febroary teo. Antenaina fa hiantraika amin’ny tolotra sy ny tinady ataon’ireo mpandraharaha ity vidiny vaovao ity. Mahatratra 783,6 tapitrisa […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Nitsidika ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Fofifa) eny Ampandrianomby ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny voka-pikarohana momba ny “Aquaponie” manambatra ny “hydroponie” sy ny “aquaculture” no nojerena nandritra izany. Miompana amin’ny fomba iray: fiompiana trondro sy fambolena legioma ao anaty fotoana iray ihany. […]
Sombim-baovao
Hotontosaina ny 05-06-07 avrily ho avy izao, ao amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Tsiahivina fa hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mahazo ny amboara amin’ny sokajy, «Séniors», lehilahy. Ankoatra izay, ny 31 marsa ho avy izao no fara-fandraisana ny fanavaozana ny […]
TARATRY ny KANTO
Famoaham-boky Ikalomanga, asa soratry Ratsifandrihamanana Clarisse Andriampandry. Havoaka amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny 26 marsa, amin’ny 10 ora maraina izany. Efa voasorany tamin’izany fa tsy mbola navoaka izy io ka navoakan’ny taranaka. Afaka jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky izany amin’ny herinandro. Naseho an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny CEG […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantarina omaly, tany Toamasina, ny kandidàn’ny Firaisankina, hiatrika ny fifidianana depiote ho an’iny faritany iny. Nitarika izany ireo lehiben’antoko, toy ny HVM, Tim, Tsara Tahafina. Anisan’ny mbola kandidà, Razara Pierre Fidel, Rabekijana, i Tody Arnaud… Hita taratra ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana vovonana, araka ny nambaran’ny filoha […]