Tontosa omaly, teny amin’ny Premier Bataillon Parachutiste Ivato, ny fanaovam-beloma farany ireo manamboninahitra telo mirahalahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, izay namoy ny aina nandritra ny fanazaran-tena filatsahana tany Arivonimamo, ny alarobia lasa teo. Hatsangana ny Commission d’enquete mixte hanao ny fanadihadiana mahakasika iny loza iny. Tsy […]
Tselatra
TSELATRA
Ilan-tanan’olona havia hitan’ny zandarimaria teny amin’ny moron-dranomasina Antalaha, ny alatsinainy 25 aogositra teo. Lehilahy no tompon’io tanàna io, araka ny fizahan’ny tomponandraikitra. Tovolahy nanolana ankizivavy 11 taona nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Ambanitsena, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nipetraka tao amin’ny rahavavin-dreniny io ankizivavy io. Mpanampy tao an-trano no nahavanon-doza. Polisy miisa […]
TSELATRA
Telo lahy mpivarotra rongony sady mpidoroka voasambotry ny zandarimaria tao Andranovao, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Roa lahy mpivarotra no tratra voalohany. Nitoroka ny iray namany ireto farany. Taolam-paty nataon’ny olon-tsy fantatra tao anaty gony hitan’ny fokonolona tao Antanambao, Mananara Avaratra, ny sabotsy 23 aogositra lasa teo. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro […]
TSELATRA
Olona dimy voasambotry ny polisy noho ny harom-paosy teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Tratra nisinto-mahery teo amin’ny fiantsonana Vatobe 67Ha, afakomaly, ny roa tamin’izy ireo. Nangarom-paosy teny Ambodin’ Isotry, ny sabotsy teo, kosa ny iray hafa. Voasambotra teny Ambohimanarina, ny alin’ny 22 aogositra 2025 teo ny iray ambiny. Olona […]
TSELATRA
Lehilahy iray nitondra kodiaran-droa, naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Tanjombato, omaly hariva. Nanao taingin-droa ary nitondra ny zanany lahy kely izy io tamin’izany. Nianjera ny moto notengainan’izy ireo ka niteraka ny loza. Vokany, naratra mafy ilay raim-pianakaviana raha toa ka tsy naninona kosa ny zanany. Mpianaka avy […]




