Tselatra

TSELATRA

Niakatra fampanoavana tao Arivonimamo, omaly, ny mpamilin’ilay fiara 4×4 sy Mazda voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo telo mianaka nandeha bisikileta. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana raha teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny renim-pianakaviana mitondra vohoka sy ny zanany kely iray. Raikitra ny fifanjevoan’ny fokonolona […]

TSELATRA

Karohina ny tompon’antoka tamin’ny famoi­zan’aina tovovavy iray hita faty teny amoron’arabe teny Nanisana, afakomaly. Vehivavy 22 taona hita faty nihosin-dra, ahina ho nodomin’ny fiara naterin’ny BMH teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA. Simba vokatry ny dona mafy nahazo azy io tovovavy vao erotrerony io. Andalam-pikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Nitrangana hain-trano […]

TSELATRA

Fiara marika starex iray hotohoton’ny afo tetsy Vontovorona, omaly. Niditra tany amin’ny toeram-pianarana ny tompon’ny fiara. Nirehatra tampoka anefa ny fananany ka niezaka nifehy ny afo ny nanatri-maso. Levon’ny afo tanteraka ilay fiara. Fiara roa nifandona ka potika tanteraka ny lohany tetsy Ampandrianomby, omaly. Nandeha mafy ny iray tamin’ireo fiara. […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja, omaly, ny efatra tamin’ireo jiolahy dimy tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Anosizato. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zandary ny lehilahy iray niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy. Lasan’ireo jiolahy ny finday, bisikileta ary vola 5 alina Ar. Nanao fikarohana ny zandary ka tratra ireo andian-jatovo mpanendaka. Ramatoa iray […]

TSELATRA

Vehivavy iray hita faty natsingevan’ny rano teny Ikopa, afakomaly. Niboridana tanteraka izy, araka ny hita teny an-toerana. Nahitana ratra teo amin’ny lohany. Ahina ho novonoina izy io ka natsipy teny Ampamantanana ary nentin’ny rano. Mipetraka eny Ankazolava izy, raha ny fantatra. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Hapetraka ao amin’ny […]