Hiakatra fitsarana anio, i Da-Willy ilay lehilahy nanolan-jazavavy 6 taona. Andrasan’ny maro fatratra ny fampiharana ny sazy sahaza azy amin’io lehilahy mpanolana izay nanetsina fotaka tamin’ny sofin’ilay zazavavy io. Fito lahy nosamborin’ny polisy tao Antsiranana Renivohitra, afakomaly. Tsy ampy taona ny ankamaroan’ ireo mpanao herisetra an-dalambe sady mampihoroho ny mpiray […]
Tselatra
TSELATRA
Tafakatra 28 ny isan’ny maty tamin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny, 14 jona lasa teo. Mbola misy olona 13 tsaboina ao amin’ny fameloman’aina ao amin’ny HJRA Ampefiloha hatramin’izao. Rangahy iray 60 taona, tratra nanolana ny zana-badiny vao 13 taona monja. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ity farany, taorian’ny fiakarany fitsarana […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray 45 taona maty voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tsy nahitana taratasy namantarana ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Nentina namonjy ny CHRD Arivonimamo ny vatana mangatsiakany. Lehilahy iray karohin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nivadi-pitokisana izy […]
TSELATRA
Lehilahy iray 26 taona tratra nangalatra moto iray mitentina 300 000 Ariary tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ankadimbahoaka, omaly hariva tamin’ny 4ora. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io io olon-dratsy io ary nangalatra ny entana. Nahatsikaritra izany ny tompon-trano ary niantso polisy. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny CSP5 izy mialoha […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty tao amin’ny tohodrano atsimon’Ambohipo, afakomaly hariva. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisim-pirenena miasa ao Alasora sy ny mpitsabon’ny CSBII. Tsy nisy nahafantatra ny mombamomba io olona namoy ny ainy io. Tafakatra 18 ireo namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinan-tsakafo tao Ambositra, afakomaly. Mpampianatra misotro ronono […]




