Zazavavy 4 taona maty voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao amin’ny RN37, teo Matavirano Antazoa, Malaimbady, afakomaly. Tsy tazan’ ny mpamily ilay zaza ka nitera-doza. Tazonina hanaovana fanadihadiana ilay mpamily nahavanon-doza. Teratany vahiny 16 niara-naiditra am-ponja rehefa tratra nanao fiondranana antsokosoko tao Ambanja, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahitana taratasy ara-dalàna avokoa […]
Tselatra
TSELATRA
Lehilahy iray maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Soavinimerina Avaradrano, omaly. Tafiditra tao ambany kodiarana havian’ny kamiao izy ka potika tanteraka ny moto nentiny. Naiditra am-balam-pamonjana avokoa ny omby 42 tsy nahitana taratasy ara-dalàna tao amin’ny raim-pianakaviana iray ao Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly. Nosavaina ny antontan-taratasin’omby ka hosoka avokoa ny […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary ilay jiolahy tompon’antoka tamina fanolanana vehivavy lehibe tsy salama saina tao Mahitsy, kaominina Ambohitrimanjaka, ny 26 jona 2024 lasa teo. Norahonany ho faty anefa ity ramatoabe ity mba tsy hitantara amin’olona ny herisetra nataony. Tsy nahasakana azy tsy hitantara anefa izany noho izy nahatsiaro naharary. Niaiky ny heloka […]
TSELATRA
Kilan’ny afo avokoa ny entam-barotra rehetra tao amin’ny trano may tao amin’ny fokontany Atsinanan’i Vinany, ny alin’ny talata 9 jolay teo. Nifanome tanana namono ny afo ny fokonolona manodidina. Olana ho azy ireo ny tsy fisian’ny mpamonjy voina ao an-toerana. Nalan’ny olon-dratsy ka nentiny ny lohan’ny vehivavy iray varira tao […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja ireo lehilahy roa naniratsira mpitandro filaminana teo am-panantontosana ny asany, tao Talata Volonondry, afakomaly. Mitonona ho mahafantatra mpitsara ambony izy roa lahy ireo ka notevatevainy ny zandary. Nosamborina izy roa lahy ka voatazona vonjimaika any am-ponja. Voasambotry ny zandary tao Ankadivory, fokontany Ambohimamory, kaominina Andranonahoatra, ny mpanendaka iray, […]