Tselatra

TSELATRA

Lehilahy mpangarom-paosy sady mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy teny Anosy, ny alatsinainy 21 jolay teo. Nifanenjehana io olon-dratsy avy nanao ny asa ratsiny io. Tratra izy ka nosavaina. Finday halatra miisa efatra sarona teny aminy. Nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity farany. Taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo, […]

TSELATRA

Mpanendaka sady mpamaky trano miisa fito lahy voasambotry ny zandrimaria ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly. Nanaovan’ireo olon-dratsy ireo ny asa ratsiny avokoa iny faritra iny toy ny tao Avaratsena sy hôpitaly, hatrany Antanivory. Lehilahy nahatrarana vola sandoka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana ny zoma 18 jolay teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny […]

TSELATRA

Taksiborosy tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Andavabiby, Ambatomirahavavy, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany. Nifanenjika tamin’ny fiara niray lalana taminy io fiara mpitatitra io, araka ny fanazavan’ny mpandeha. Safotra tsy nahatsiaro tena ny mpanampin’ny mpamily. Notoloran’ny zandary « autocollant » mazava alina ireo sarety sy bisikileta mpivezivezy eny amin’ny kaominina […]

TSELATRA

Taksiborosy iray niharan’ny firehetana tao Brieville, 2 km tsy hidirana an’i Morarano Chrome, omaly tamin’ny 11 ora. Nitrangana olana teknika tampoka io fiara io. Niezaka nifehy ny afo ireo nanatri-maso saingy potika tanteraka ilay fiara. Tsy nisy naratra na aina nafoy. Niakatra fampanoavana omaly, ny pasitera iray nanaparitaka vaovao tsy voamarina […]

TSELATRA

Mpangalatra tao amin’ny sekoly Manarintsoa Isotry voasambotry ny polisy, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny birao io olon-dratsy io ka nobatainy ny “imprimante”. Tsikaritry ny olon-tsotra io fihetsik’ilay mpangalatra io ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy. Omby 27 tafaverin’ny zandarimaria amin’ny tompony taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo nandritra ny ora maro […]