Zazakely vao teraka hita faty tao anaty tatatra tetsy Bemasoandro Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty rano ka nisokitra izany. Nosokafana ny lamba ary zaza tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona nifono lamba fotsy. Raha ny fanazavana voaray, narian’ny reniny mbola […]
Tselatra
TSELATRA
Notoloran’ny orinasa tsy miankina iray fanomezana ny akany fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy, omaly. Kidoro, lamba mafana firakotra sy ondana no azon’izy ireo tamin’izany. Tazonina atao andrimaso eny anivon’ny polisim-pirenena ilay sinoa nitondra fiara nahafaty olona efatra teny By-Pass, ny alarobia 30 avrily teo. Nandositra io sinoa io tamin’ny […]
TSELATRA
Nahitana lohan’olona efa simba tanteraka sy tsy misy ahafantarana azy intsony tao anaty tanimbary tany amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Ambano, afakomaly tolakandro. Ankizy teny amin’ny manodidina no nahita izany ka nampilaza ny tomponandraikitra. Efa nitangoronan’ny lalitra sy namoaka fofona moa izy ity, nandritra ny fahitana izany. Nahatratrarana rongony milanja 13 […]
TSELATRA
Tanterahina androany ny fandevenana ny nofo mangatsiakan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama. Hiala ny tranony etsy 67 Ha ny razana, anio amin’ny 12 ora sasany atoandro. Hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Ekar Maria Manjaka. Marihina fa novonoina sy naholan’ny olon-dratsy tao an-tranony ity tovovavy ity. Lehilahy iray 48 taona […]
TSELATRA
Efa-dahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena eo anivon’ny CSP 5 Mahamasina, ny alahady 27 avrily teo. Moto roa sarona teny amin’izy ireo. Mpamaky trano voasambotry ny polisy teo am-pibatana vilany tetsy Ivandry, omaly maraina. Tsy afa-nandositra io mpandroba io ka nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny polisy. Ramatoa, 53 taona, […]