Other News

Sambo rendrika : razana 11 natsingevan’ny rano, tafakatra 32 ireo maty

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha momba ilay sambo rendrika saika hitondra olona antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayot­te. Omaly, niampy 11 ny nofo mangatsiaka hitan’ny mpitandro filaminana, tany akaikin’ny Nosy Faly. Vehi­va­vy ny dimy tamin’ireo maty, lehilahy ny efatra raha toa ka zaza kosa ny roa. Ankehitriny, mitotaly 32 […]

Kivy Ramalagasy !

Mampihoron-koditra ny zava-nisy tany Ambilobe, nahafa­tesana olona marobe noho ny sambo rendrika. Nanantena fiai­nana tsaratsara kokoa, kanefa nivadika ho nofy ratsy sy fahafatesana. Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava ny isan’ny olona niondrana satria ankoatra ny namoy ny ainy voaisa sy ny velona, mbola mahita razana hafa miisa 11 be izao […]

Tsy nety nampiady omby : lasa adala ilay lehilahy voadaroka teo amin’ny lohany

Niakatra fitsarana tao Ambatolampy ilay raharaha anenjehana ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fandratrana lehilahy 38 taona tao Am­bohimandroso Gara, dis­trikan’Antanifotsy. Heloka anenjehana ireto telo lahy ireto ny ratra sy vono niniana natao. Noratrain’izy roa lahy ireto ny mpiara-miandry om­by aminy rehefa tsy nanaiky nampiady ny ombiny. Nila­tsaka ny didy avy […]

Antsirabe II : lehilahy mpamboly rongony voasambotra

Mamboly sady mivarotra rongony, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao Bevidy, fokontany Ambatolahimarina, kaominina Ambohimiarivo, Antsirabe II, omaly. Malaza ratsy amin’io asa ataony io, nidina ifotony nitsirika io lehilahy voatondro io ny mpitandro filaminana. Tonga tao amin’ny trano fonenany, na­taon’ny zandary fanadihadiana izy. Nosavaina ny tokontany ka sarona tao […]