Voatendry ho tale mpanatanteraka (DE) hitantana ny fikambanana Fondation Tany Meva, Rasoanarivo Hariliva, mandimby an’i Fanohiza Claude. Anisan’ny vina hotanterahina ny paikady andiany fahadimy Tany Meva 5 ho an’ny taona 2023 hatramin’ny 2027. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny tetikasa miisa 40 miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatratra 1,5 tapitrisa […]
Other News
Fihariana : nisokatra omaly ny fotoam-panjonoana makamba
Natomboka omaly 1 marsa 2023 tany Mahajanga ny fisokafan’ny fotoam-panjonoana, vanim-potoana 2023. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy izany tamin’ny fampiasana ireo sambo mpanara-maso momba ny jono indostrialy. Manantena hahavita ny hihoatra ny vanim-potoana talohan’ izao ireo mpandrahara. Ny jono makamba no tena ifantohana, hamenoana ny volam-panjakana. Raha 2,075 miliara Ar ny […]
Simba ny tambajotra : nihamafy ny delestazy
Tapaka ny herinaratra, omaly tolakandro, ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Antony, tsy tomombana ny tambajotra roa mahery vaika, mitondra ny herinaratra avy any Andekaleka mankaty Antananarivo. Efa eo am-panarenana ny Jirama ary niverina tsikelikely ny famatsiana, ora maro taty aoriana. Tsikaritra tokoa tato ho ato, fa nihena ny delestazy teto […]
Faritra arovana: niforona ny Vondrona firaisankina ho an’ny tontolo iainana
Ankalazaina anio 3 marsa ny Andro eran-tany ho an’ny biby sy ny zavamaniry. Fomba entina hiarovana azy ireny ny fametrahana ny Faritra arovana, izay efa miisa 123 eto Madagasikara. Niforona ny Vondrona firaisankinan’ireo mpisehatra amin’ny faritra arovana, hampahafantatra ny fahombiazany avy. An-taonany maro ny manam-pahaizana malagasy an’arivony avy amin’ny governemanta, […]
Faritra Androy sy Atsimo Andrefana : mampitovy lanja sy zo ny lahy sy ny vavy ny tetikasa « Maharo »
Voizina sy tanterahina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana iny ny tetikasa « Maharo », tanterahin’ny CRS Madagascar ary vatsian’ ny USAID ara-bola. Mampiroborobo ny fitovian’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokantrano ny tetikasa. Anisan’ny fomba fiasa amin’izany ny Miranjaka izay enti-mizara ny fanao tsara ho an’ny […]






