Other News

Vondrona VATO: Tsy afapo amin’ny fanavaozana

Nisy ny fanazavana nentin’izy ireo ho an’ny mpiray tanindrazana, afakomaly, teny Antanimena. Nanamafy izy ireo fa tsy mbola ilay tena fanavaozana no misy ankehitriny. Mangata­ka ny hanatanterahan’ny filoham-panjakana ny teny nataony ny 11 oktobra 2025 izy ireo. “Miandry ny fandravana tanteraka ireo andrimpanjakana misy izahay, toy ny Antenimi­eram­pirenena, ny Fitsarana […]

TARATRY ny KANTO

Mbola mijanona ho fahatsiarovana sy tora-po fotsiny. Anisan’ny firenena tia manangona ny Malagasy, raha ny nambaran’ny mpikaroka maro. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola miasa araka ny tokony ho izy ny tahiry ananan’ny tokantrano malagasy. Tsy mbola hainy ny mandrafitra ny tantara avy amin’ireny tahiry ireny. Io no dingana mila hampahafantarina sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitsahatra avokoa ny fanampiana ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ho an’ity taona ity. Hanano­sa­rotra ny famatsiana ny tokantrano marefo, indrindra ireo traboina noho ny loza voajanahary. Miantso fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana ny sehatra tsy miankiana hanampiana ny mpiray tanindrazana sy hanohanana ny orinasa malagasy. Voatazona ho 12% ny “taux directeur”, […]

Mecc 2026 : Manampy hitrandraka ny tsena kanadianina

Antoka hampivoarana ny fandraharahana ny fitrandrahana ny tsena any ivelany. Antony mahatonga ny Mission économique commerciale au Canada (Mecc) andiany fahafito, karakarain’ny Antenimi­eran’ny varotra sy indostria Kanada-Madagasikara (Cancham), mitondra ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Araka izany, soa fanararaotra ho an’ny mpamokatra ny Mecc. Mbola malalaka sy azo trandrahina […]