Vondrona VATO: Tsy afapo amin’ny fanavaozana

Nisy ny fanazavana nentin’izy ireo ho an’ny mpiray tanindrazana, afakomaly, teny Antanimena. Nanamafy izy ireo fa tsy mbola ilay tena fanavaozana no misy ankehitriny. Mangata­ka ny hanatanterahan’ny filoham-panjakana ny teny nataony ny 11 oktobra 2025 izy ireo. “Miandry ny fandravana tanteraka ireo andrimpanjakana misy izahay, toy ny Antenimi­eram­pirenena, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mikarakara fifidianana. Efa lany daty izao ny Anteni­mierandoholona koa manantena ny fanoloana azy ireo izahay”, hoy izy ireo.
Mangataka rafitra manokana mba hametrahana azy ireo ny mpikambana. Mitaky ny mba haha-50 % ny tanora anatin’ny rafitra mpanapa-kevitra. “Diso ny filazana fa tsy mahazaka izany ny tanora. Hanolo­tra olona any anaty governemanta izahay, ohatra, dia tsy maintsy tanora mpikambana no ao. Tsy hanolotra olona ivelan’ny vondrona ihany koa na iza na iza mitady ny fiaraha-miasa aminay”, hoy izy ireo.
Manao antso avo amin’ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika izy ireo. Efa misy ny fangatahana fihaonana eny an-dapa satria nipetraka ho mpanara-maso sy mpanao tombana ihany koa ny vondrona.

r.r

Partager sur: