Other News

 “3400 miliara ariary ny vola nampidirina, taona 2022”

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fadintseranana, ohatra, tamin’ny  tetibola farany ho an‘ny 2022 ho 3000 miliara ariary ny vola ampidirina, hita anefa izao mihoatra io tanjona tratrarina io ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, dia nampiana 3400 miliara ariary tamin’ny fanitsiana ny tetibola 2022. Hita izao fa ho tratra izany raha […]

Miandrivazo: andalam-pahavitana ny biraon’ny Bam

Nidina tany Miandrivazo ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena voajanahary (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny faran’ny herinandro teo. Anton-diany ny fanaraha-maso ny fanorenana ny biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Ampanasana Miandrivazo. Ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena rahateo ny “fanjakana manakaiky vahoaka”. Paikady mamaha ny olan’ny mpisehatra […]

Fadintseranana aty Afrika ESA: handray fanapahan-kevitra hoentina any amin’ny OMD

Mandray ny fivorian’ny sampana iray ao amin’ny Fiombonambe iraisam-pirenena ny fadintseranana (OMD), aty Atsinanana sy Atsimon’i Afrika ary ny ranomasimbe Indianina (ESA) i Madagasikara, omaly hatramin’ny 25 novambra 2022 eto Antananarivo. Voalohany izao Madagasikara mandray izany fivoriana iraisam-pirenena izany. Mpikambana ao amin’ny OMD i Madagasikara hatramin’izay , manana rantsan-mangaika telo […]

Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha

Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany. “Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra […]

Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana    

                “Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]