Velon-taraina amin’ny afitsok’ireo mpanendaka an-dalambe ny mponina ao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohitrabiby, PK17. Olona miisa telo samihafa niharan’ny fanendahana nataon’ireo olon-dratsy tao anatin’ny roa herinandro. “Mpianatra hamonjy toeram-pianarana eny amin’ny CEG vao maraina no efa lasibatra”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao ao an-toerana. Voalaza fa hanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny […]
Other News
Ankorondrano: Mpamaky fiara voasambotry ny polisy
Lehilahy nandroba fiara voasambotry ny polisim-pirenena eo anivon’ny Poste avancé Ankorondrano, boriborintany fahatelo, ny alatsinainy 2 febroary teo. Nitondra fiara marika Starex ny renim-pianakaviana iray ary nikasa hividy kojakoja ho an’ny fiarakodia teny an-toerana. Nihaodihaody teo amin’ny fiara ny lehilahy iray mpanao ratsy. Nosokafany io fiara io ary lasany ny […]
Olona telo naiditra am-ponja : Renim-pianakaviana notapahin-doha
Naiditra am-ponja afakomaly any Betroka ny telo lahy nikasa hangalatra basy tao amin’ny tokantrano iray. Notapahin’izy ireo ny lohan’ny vehivavy tompon-trano. Voalaza ho sakaizan’ity lasibatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Betroka, ireo telo lahy 19, 28 ary 29 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, […]
Échecs-Analamanga : Nahomby ny lalao fanokafana ny taona
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja échecs. Teny amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatanterahana izany. Nahomby tanteraka satria tonga marobe, namaly ny antso, ireo mpilalao izay tafakatra 135. Na dia teo aza ny andro ratsy, tsy nahasakana ireo mpandray anjara […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina teny amin’ny Akademia nasionalin’ny Fanatanjahantena Ampefiloha, ny 31 janoary hatramin’ny 1 volana febroary teo, ny fampiofanana ny mpitsara mahakasika ny fihetsika mirindra « Pomsae » sy ny adin’olon-droa « Kyorugi » amin’ny taranja Taekwondo WT. Nanatrika izany ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Hotanterahina, anio, amin’ny 10 ora maraina, eny […]






