Other News

Volana febroary : Nihemotra ny « Asaramanitra bagasy »

Raha ny sabotsy 7 febro­ary izao no fantatra fa saika hanatanterahana ny « Asa­ramanitra bagasy », fantatra, omaly, fa hahemotra ny tolakandron’ny sabotsy 14 fe­broary ity hetsika fanaon’ny Se­hatra Bagasy isaky ny mi­santatra ny taona vaovao ity. Tsy miova ny toerana fa ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsa­havola […]

Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague: “Ny fandalana ny Satam-pirenena no vahaolana”

Miverimberina hatrany ny olana mianjady amin’ny firenena. Vitsy ihany, anefa, ireo mitady vahaolana ivelan’ny politika. Milaza ny heviny momba izany ny Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague. Gazety Taratra (*): Mi­aina ao anatina olana na krizy miverimbarina i Mada­ga­si­kara. Amin’ny maha mpandala ny fomban-dra­zana sy ny maha Malagasy anao. Inona no […]

VAOVAO TAMBATRA

Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika misehatra amin’ny volamena any amin’ny fokontany sady kaominina Satrokala, distrika Ihosy, ny sabotsy 31 janoary teo. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny dingana arahina amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nohamafisin’ny talem-paritra, fa tsy misy fitrandrahana azo atao raha […]

Tolotra Rapide App : Hanamora ny fitaterana eto an-dRenivohitra

Mivoatra hatrany ny tolotra omen’ny Yas Madagascar ny mpanjifa. Anisan’izany ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ izy ireo sy ny Rapide App, hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra, amin’ny ala­lan’ny fampiasana ny Yas&Moi. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezena amin’ny andavanandro sy hanolorana vahaolana haingana sy azo itoki­sana ho an’ny sehatry ny fitaterana. […]

EDBM : Voatendry ho PCA Rabarisoa Andrianaina

Vita Sonia omaly ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny (PCA) Economic Deve­lopment Board of Madagascar, vaovao, Rabarisoa Andri­anaina sy ny PCA teo aloha, Randriamandranto Joël. Mpi­tsara sady manana traikefa mihoatra ny 20 taona ity tompon’ andraikitra vaovao ity ary efa nisahana ny fifidianana tamin’ ny taona 2013 tamin’ny maha mpikambana […]