Hotokanana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra vita ka nandaniana volam-panjakana, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fitokanana ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka ao Betafo, ny asabotsy teo. «Tokony hisitraka ny ariary mivoaka ao amin’ny volam-panjakana ny vahoaka», hoy izy.
Hirosoana ny fanavaozana ny zotram-pifidianana. Nisongadina izany tamin’ny fitsidihan’ny delegasionina avy amin’ny Vondrona Afrikanina (UA), i Mohamed Idriss Farah, ny Ceni, notarihin’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny zoma teo. Voaresaka ny andraikitry ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ny zotram-pifidianana.
Tsy mbola afaka ny sazin’i Madagasikara avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fiovan’ny fitondrana teto ka tsy afaka mamonjy ireny fivoriana goavana ireny isika, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim tao Fianarantsoa, ny asabotsy teo. Nanambara koa fa ho kandidà filoham-pirenena ny tenany rehefa tonga ny fotoana.
Manana adidy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny manamboninahitra lefitra, araka ny nambaran’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. “…Miandry anareo ny vahoaka amin’ny fanompoana azy mba hampandroso ity firenena malalantsika ity », hoy izy. Nanamarika ny andron’ny manamboninahitra lefitra tao Antsirabe ny tenany, omaly.




