Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany […]
Other News
Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly
Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Pentathlon moderne (FMPM). Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipoharijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika nasionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no […]
Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana
Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antananarivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny […]
Augustin Baovola : “Tokony hanana kianja ho azy ny federasionina”
Mitondra ny heviny mahakasika ny fotodrafitrasa amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, Andriamiharinosy Augustin Baovola, Malagasy mpilalao matihanina voalohany. Aminy, tsy tokony hiantehitra amin’ny kianja tantanin’ny rafitra hafa ny federasionina fa mila manana ho azy manokana. Raha baolina kitra no resahina, reharehan’i Brésil, i Pele. Voninahitry ny arzantina i Maradona ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Voatendry ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) Andriniaina Rabarisoa. Natsangana koa ny filankevi-pitantanana nohavaozina, ahitana solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Andrasana hanamafy ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola sy hisarihana azy ireo ho maro kokoa eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, ity fanendrena ity. Nanamafy ny fanohanana […]






