Hita faty teny an-tanimbary, tao Bekitrobaka, Antsohihy, ny raim-pianakaviana (tale misahana ny fizahantany, faritra Sofia teo aloha), afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Niala tao an-tranony hoany amin’ny tanimbariny izy, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Tsy mbola tonga tao an-trano anefa izy na dia efa hariva aza ny andro ka […]
Other News
Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato
Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, […]
Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano
Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’Andramasina, ny […]
Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa
Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no mahita hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Hahazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Anisan’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara […]
Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona
Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana. 2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy […]






