Other News

67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy

Nisehoana fifandonana ma­hery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy […]

Ankazomanga : Lehilahy iray maty nananton-tena

Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany […]

Horohorontany teto Antananarivo: Nandrodana trano sy nandratra ankizy

Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana. Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sa­botsy atoandro lasa teo ta­min’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany […]

Asa fanaovan-gazety : Natsangana ny komity hisolo ny OJM

Natsangana, omaly, ny komity vonjimaika hi­solo toerana ny Hola­fitry ny mpanao gazety (CTOJM), taorian’ny nahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo birao. Na­joro izany hialana amin’ny fahabangan-toerana. Miisa 18 ireo fikambanana mpanao gazety nivory nanapaka izany. Hiantoka ny hitohizan’ny asa ny CTOJM mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-po­toam-piasan’ny  biraon’ny OJM. Nambaran’ireo nivory tamin’izany fa natsangana io […]