Other News

Concert classique de midi : Hiaka-tsehatra ny AMI Choir

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-165 ny « Concert classique de midi ». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny AMI Choir, ny talata 27 janoary, manomboka amin’ny 1 ora atoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum ho fampahalalana sy fampitiavana ary fampivelarana ny mozika klasika. Anisan’ny […]

Nate Tex : “Za”, rakikira mitantara fiainana…

Taona maro taty aorian’ny vokatra voalohany, tontosa ny rakikira faharoan’i Nate Tex. Hampahafantariny an-tsehatra ny “Za”. “Tena Zava-dehibe loatra amiko ity. Mitan­tara fiainana be ilay rakikira…”, hoy i Nate Tex, omaly, tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fo­toana nampahafantarany ta­min’ny fomba ofisialy ny fahatontosan’ilay rakikira faharoa io. Tsikaritra tamin’ny endrik’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiatrana anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny mpilalao volley ball fahiny, ahitana an-dRaharimalala Léa, hamaranany ny fankalazana ny faha-50 taona nanaovany ity taranja ity. Nizotra nandritra ny 3 andro ny famaranana ny fankalazana, izay nandraisan’ny ekipa manomana ny CCCZone 7 anjara ihany koa. Fambolen-kazo any Manjakandriana no hanom­bohan’ny ligin’Analamanga, […]

Fihaonana sy fakan-kevitra : Nifampihaino ny MJS sy ny Federasionina

Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana natao taorian’ny nitantanan-dRasambany Alain, minisitra, ny minisite­ran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fi­haonana teo amin’ny MJS, ny federasionina isan-tsokajiny ary ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena. Fihaonana voalohany izay kasaina hatao isan-telo volana izy ity. Tan­jona ny hanatsarana ny […]

Tsipy kanetibe: Namoaka lalàna vaovao ny FIPJP

Nanomboka ny 1 janoary 2026 lasa teo, misy lalàna vaovao eo amin’ny fifaninanana tsipy kanetibe maneran-tany. Niarahan’ny Federasionina iraisam-pirenena (FIPJP) sy ny federasionina frantsay napetraka izany. Tsy maintsy mitondra fanamiana mihaja ara-panatanjahantena ireo mpilalao rehetra. Tsy ekena ny akanjo mihanjahanja, ny fanaovana pataloa rovitra na maloto. Tsy azo atao koa […]